Apokalypsy 15:7-8 Malagasy Bible (MG1865)

7. Ary ny anankiray tamin'ny zava-manan'aina efatra nanome ny anjely fito lovia volamena fito, feno ny fahatezeran'Andriamanitra, Izay velona mandrakizay mandrakizay.

8. Ary ny tempoly dia feno setroka avy tamin'ny voninahitr'Andriamanitra sy ny heriny, ka tsy nisy nahazo niditra tao amin'ny tempoly mandra-pahatanteraky ny loza fito nentin'ny anjely fito.

Apokalypsy 15