1. Nahita ny Tompo nitsangana teo anilan'ny alitara aho, ka hoy Izy: Asio ny kapitaly hihetsiketsehan'ny tokonana, ary torotoroy hianjera amin'ny lohan'izy rehetra, ka izay sisa aminy dia hovonoiko amin'ny sabatra; Ary tsy hisy afa-mandositra izy, sady tsy hisy izay sisa ho afaka akory.
2. Na dia mibosesika ho any amin'ny fiainan-tsi-hita aza izy, dia any no hanalan'ny tanako azy; Ary na dia miakatra ho any an-danitra aza izy, dia avy any no hampidinako azy.
3. Ary na dia miery any an-tampon'i Karmela aza izy, dia any no hitadiavako sy hangalako azy; Ary na dia manafin-tena any ambanin'ny ranomasina aza izy, mba tsy ho hitan'ny masoko, dia any no handidiako ny menarana, ka hanaikitra azy.
4. Ary na dia lasan-ko babo eo anoloan'ny fahavalony aza izy, dia any no handidiako ny sabatra, ka hamono azy; Ary hampanandriniko azy ny masoko hahatonga ny loza aminy, fa tsy ny soa.
5. Ary Jehovah, Tompon'ny maro, no manendry ny tany, ka dia miempo izany, ka misaona ny mponina rehetra ao aminy; Ary dia hihatondraka tahaka an'i Neily avokoa Izany, ary hihena indray izy toy ny Neilin'i Egypta,