Amosa 7:1-10 Malagasy Bible (MG1865)

1. Izao no nasehon'i Jehovah Tompo tamiko: Indro, nanao ny valala tamin'ny voalohan'ny nitsimohan'ny kolokolon'ahitra Izy; ary, indro, kolokolon'izay nojinjana ho an'ny mpanjaka izany.

2. Ary nony efa laniny avokoa ny zava-maniry amin'ny tany, dia hoy izaho: Jehovah Tompo, mifona aminao aho mamelà heloka! Hataon'i Jakoba ahoana no fahajanona? Fa kely izy.

3. Nanenenan'i Jehovah izany; Tsy hisy izany, hoy Jehovah.

4. Izao no nasehon'i Jehovah Tompo tamiko: Indro, Jehovah Tompo miantso hifandahatra hamely amin'ny afo, ka nandevona ny lalina lehibe sy nila handany ny zara-lova izany.

5. Dia hoy izaho: Jehovah Tompo, Mifona aminao aho, mitsahara! Hataon'i Jakoba ahoana no fahajanona? Fa kely izy.

6. Nanenenan'i Jehovah izany; Tsy hisy izany, hoy Jehovah Tompo.

7. Izao no nasehony ahy: Indro, ny Tompo nitsangana teo ambonin'ny manda natao amin'ny pilao, sady nisy pilao teny an-tànany.

8. Dia hoy Jehovah tamiko: Inona no hitanao, ry Amosa? Ary hoy izaho: Pilao. Dia hoy ny Tompo: Indro, hanisy pilao eo amin'ny Isiraely oloko Aho, fa tsy handefitra aminy intsony;

9. Dia ho foana ny fitoerana avon'Isaka, ary ho rava ny fitoera-masin'Isiraely; Ary hitsangana Aho ka hamely sabatra ny taranak'i Jeroboama.

10. Dia naniraka tany amin'i Jeroboama, mpanjakan'ny Isiraely, Amazia, ilay mpisorona tao Betela, nanao hoe: Amosa efa nanao tetika hikomy aminao teo amin'ny taranak'Isiraely, ary tsy zakan'ny tany ny teniny rehetra,

Amosa 7