Amosa 1:2-9 Malagasy Bible (MG1865)

2. Ary hoy izy: Jehovah mierona ao Ziona ary mampikotroka any Jerosalema; Ny saha fiandrasana ondry dia mitomany ary maina ny tampon'i Karmela.

3. Izao no lazain'i Jehovah: Noho ny fahotana telon'i Damaskosy, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria kodia vy no nivelezany an'i Gileada;

4. Fa haterako afo ny tranon'i Hazaela, ka handevona ny tranoben'i Beni-hadada izany.

5. Hotorotoroiko koa ny hidin'i Damaskosy, ary hofoanako tsy hisy mponina ny lohasahan'i Avena, ary Bet-edena tsy hisy hitana tehina fanapahana; Ary ny vahoakan'i Syria dia ho lasan-ko babo any Kira, hoy Jehovah.

6. Izao no lazain'i Jehovah: Noho ny fahotana telon'i Gaza, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria lasany ho babo avika ny olona hatolony ho any Edoma;

7. Fa haterako afo ny mandan'i Gaza, ka handevona ny tranobeny izany;

8. Ary hofoanako Asdoda tsy hisy mponina, ary Askelona tsy hisy hitana tehina fanapahana; Dia haveriko ny tanako hamely an'i Ekrona, ka ho faty izay sisa amin'ny Filistina, hoy Jehovah Tompo

9. Izao no lazain'i Jehovah: noho ny fahotana telon'i Tyro, eny efatra aza, dia tsy havelako izy, satria natolony ho any Edoma ny babo rehetra, ary tsy notsarovany ny fanekem-pirahalahiana;

Amosa 1