3 Jaona 1:3-6 Malagasy Bible (MG1865)

3. Fa faly indrindra aho, fony nisy rahalahy tonga ka nanambara ny fahamarinanao, dia toy ny andehananao araka ny fahamarinana.

4. Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho, dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako.

5. Ry malala, manao asa mahatoky ianao na amin'inona na amin'inona ataonao amin'ireo rahalahy ireo, na dia vahiny aza izy,

6. izay nanambara ny fitiavanao teo anatrehan'ny fiangonana; dia ho soa no ataonao, raha mamoaka azy koa araka izay miendrika hatao noho ny amin'Andriamanitra ianao;

3 Jaona 1