2 Timoty 4:2-4 Malagasy Bible (MG1865)

2. mitoria ny teny, mazotoa, na amin'ny fotoana, na tsy amin'ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin'ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra.

3. Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan'ny olona ny fampianarana tsy misy kilema; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany;

4. ary hampiala ny sofiny amin'ny teny marina tokoa izy ka hivily ho amin'ny anganongano.

2 Timoty 4