6. Kanefa tsy nino ny filazana aho, raha tsy tonga atỳ, ka ny masoko no mahita; kanjo hay! na dia ny antsasaky ny fahendrenao aza tsy voalaza tamiko akory; fa, indro, mihoatra noho ny laza efa reko ianao.
7. Sambatra lahy ny olonao, ary sambatra ireto tandapanao ireto, izay mijanona eto anatrehanao mandrakariva ka mandre ny fahendrenao!
8. Isaorana anie Jehovah Andriamanitrao Izay tia anao ka nametraka anao amin'ny seza fiandrianany ho mpanjaka ho an'i Jehovah Andriamanitrao; fa noho ny fitiavan'Andriamanitrao ny Isiraely hampitoetra azy mandrakizay no nanaovany anao ho mpanjakany mba hanao fitsarana sy fahamarinana.
9. Ary izy nanome talenta volamena roa-polo amby zato sy zava-manitra sesehena ary vato soa ho an'ny mpanjaka; tsy nisy intsony zava-manitra tahaka ilay nomen'ny mpanjakavavin'i Sheba an'i Solomona mpanjaka.