1. Ary ny mpanjakavavin'i Sheba, rehefa ny nahare ny lazan'i Solomona, dia tonga tany Jerosalema hizaha toetra azy tamin'ny fanontaniana sarotra, ary maro be ny mpanaraka azy, sady be koa ny rameva izay nitondra zava-manitra sy volamena sesehena ary vato soa; ary rehefa tonga tao amin'i Solomona izy, dia niresaka taminy ny amin'izay rehetra tao am-pony.
2. Ary voavalin'i Solomona izy tamin'izay rehetra nanontaniany azy; tsy nisy zavatra niafina tamin'i Solomona, fa nambarany azy avokoa.
3. Ary rehefa hitan'ilay mpanjakavavin'i Sheba ny fahendren'i Solomona sy ny trano izay nataony