2 Tantara 8:8-13 Malagasy Bible (MG1865)

8. dia ny taranany izay sisa nandimby azy teo amin'ny taniny, fa tsy naringan'ny Isiraely, no nampanaovin'i Solomona fanompoana mandraka androany.

9. Fa ny Zanak'isiraely dia tsy mba nampanaovin'i Solomona izany, fa ireo kosa no miaramila sy komandin'ny mpanafika malaza ary komandin'ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny

10. Ary izao no mpifehy ny olona voatendrin'i Solomona mpanjaka, dia dimam-polo amby roan-jato izay nanapaka ny olona.

11. Ary Solomona nitondra ny zanakavavin'i Farao niakatra avy tany an-TanĂ nan'i Davida ho ao amin'ny trano izay nataony ho azy, fa hoy izy: Ny vadiko tsy mahazo mitoetra ao an-tranon'i Davida, mpanjakan'ny Isiraely, fa masina izay efa nidiran'ny fiaran'i Jehovah.

12. Ary tamin'izany Solomona nanatitra fanatitra dorana ho an'i Jehovah teo ambonin'ny alitaran'i Jehovah, izay naoriny teo anoloan'ny lavarangana fidirana;

13. eny, nanatitra izay fanao isanandro izy araka ny didin'i Mosesy dia tamin'ny Sabata sy ny voaloham-bolana ary ny fotoam-pivavahana intelo isan-taona, dia tamin'ny andro firavoravoana fihinanana mofo tsy misy masirasira sy ny andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro ary ny andro firavoravoana fitoerana amin'ny trano rantsan-kazo.

2 Tantara 8