14. Ary raha namoaka ny vola izay nampidirina tao an-tranon'i Jehovah izy, Hilkia mpisorona dia nahita ny bokin'ny lalàn'i Jehovah, ilay nampilazaina an'i Mosesy.
15. Ary niteny Hilkia ka nanao tamin'i Safana mpanoratra hoe: Ny bokin'ny lalàna dia hitako tao an-tranon'i Jehovah. Dia natolotr'i Hilkia an'i Safana ny boky.
16. Ary Safana nitondra ny boky ho any amin'ny mpanjaka sady nilaza taminy hoe: Izay rehetra nasaina nataon'ny mpanomponao dia nataony avokoa.
17. Ary narotsany ny vola izay azo tao an-tranon'i Jehovah ka natolony teo an-tànan'ny olona voatendry sy teo an-tànan'ny mpiasa.
18. Ary Safana mpanoratra nilaza koa tamin'ny mpanjaka hoe: Misy boky nomen'i Hilkia mpisorona ahy. Dia novakin'i Safana teo anatrehan'ny mpanjaka ny boky.