10. Ary Jehovah niteny tamin'i Manase sy ny vahoakany, nefa tsy nety nihaino izy.
11. Dia nentin'i Jehovah hamely azy ny komandin'ny miaramilan'ny mpanjakan'i Asyria, dia nosamborin'ireo Manase ka nasiany masom-by sady nogadrany gadra varahina ary nentiny ho any Babylona.
12. Ary nony azom-pahoriana mafy izy, vao nifona tamin'i Jehovah Andriamaniny sady nanetry tena indrindra teo anatrehan'Andriamanitry ny razany
13. ka nivavaka taminy; ary Jehovah nanaiky ka nihaino ny fifonany, dia nampody azy ho any Jerosalema ho any amin'ny fanjakany. Ka dia fantatr'i Manase fa Jehovah no Andriamanitra.