2 Tantara 31:2-13 Malagasy Bible (MG1865)

2. Ary Hezekia nanendry ny antokon'ny mpisorona sy ny Levita araka ny antokony avy, samy araka ny fanompoany avy, dia ny mpisorona sy ny Levita ho amin'ny fanatitra dorana sy ny fanati-pihavavana sy hanao fanompoam-pivavahana sy hisaotra ary hidera eny amin'ny vavahadin'ny tobin'i Jehovah.

3. Ary ny hatao fanatitra dorana rehetra dia nomen'ny mpanjaka avy tamin'ny fananany, dia ny fanatitra dorana maraina sy hariva sy ny fanatitra dorana atao amin'ny Sabata sy amin'ny voaloham-bolana sy amin'ny fotoam-pivavahana, araka ny voasoratra ao amin'ny lalan'i Jehovah.

4. Ary ny olona izay nonina tany Jerosalema nasainy nandoa ny anjaran'ny mpisorona sy ny Levita hipetrahany tsara amin'ny lalàn'i Jehovah.

5. Ary nony niely izany teny izany, dia nitondra voaloham-bokatra betsaka ny Zanak'isiraely, dia vary sy ranom-boaloboka sy diloilo sy tantely ary vokatry ny tany isan-karazany; ary ny fahafolon-karena tamin'ny zavatra rehetra, dia betsaka koa no nentiny.

6. Ary ny Isiraely sy ny Joda, izay nonina tany an-tanànan'ny Joda, nitondra ny fahafolon-karena koa, dia omby sy ondry aman'osy, ary ny fahafolon'ny zavatra masina izay nohamasinina ho an'i Jehovah Andriamaniny, ary navosainy nitokotoko maro ireny.

7. Tamin'ny volana fahatelo no vao nanomboka nanokotoko azy izy, ary tamin'ny volana fahafito no nahavitany azy.

8. Ary nony avy Hezekia sy ny mpanapaka ka nahita ireo niavosa ireo, dia nisaotra an'i Jehovah sy ny Isiraely olony izy.

9. Ary Hezekia nanontany ny mpisorona sy ny Levita ny amin'ireo niavosa ireo.

10. Ary Azaria mpisoronabe, taranak'i Zadoka, namaly azy hoe: Hatramin'ny niandohan'ny nitondran'ny olona ny fanatitra ho ao an-tranon'i Jehovah dia nihinana izahay ka voky, sady be koa ny sisa; fa Jehovah nitahy ny olony, ary ny sisa dia ireo betsaka ireo.

11. Ary nasain'i Hezekia namboatra efi-trano fitehirizana tao amin'ny tranon'i Jehovah izy; dia namboariny izany.

12. Ary tamin'ny fahamarinany no nampidirany ny fanatitra sy ny fahafolon-karena sy ny zavatra nohamasininy; ary Konania Levita no mpitahiry ireny, ary simey rahalahiny no manarakaraka.

13. Ary Jehiela sy Azazia sy Nahata sy Asahela sy Jerimota sy Jozabada sy Eliala sy Jismakia sy Mahata ary Benaia, fehin'i Konania sy Simey rahalahiny, no tonian'ireny, araka ny didin'i Hezekia mpanjaka sy Azaria, mpanapaka ny tranon'Andriamanitra.

2 Tantara 31