2 Tantara 30:14-19 Malagasy Bible (MG1865)

14. Ary nitsangana izy, dia nandrava ireo alitara tany Jerosalema; ary ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra rehetra dia noravany koa ka nariany tany amin'ny lohasahan-driaka Kidrona.

15. Dia namono ny Paska izy tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folo tamin'ny volana faharoa; ary menatra, ny mpisorona sy ny Levita, dia nanamasina ny tenany ka nampiditra ny fanatitra dorana ho ao an-tranon'i Jehovah.

16. Ary nitsangana teo amin'ny fitoerany tahaka ny fanao izy, araka ny lalàn'i Mosesy, lehilahin'Andriamanitra; ary ny mpisorona nanopy ny rà izay teny an-tànan'ny Levita.

17. Fa nisy maro tao amin'ny fiangonana izay tsy mba nanamasina ny tenany, ka dia ny Levita no nampamonoina ny Paska hisolo izay rehetra tsy madio mba hanamasina azy ho an'i Jehovah.

18. Fa nisy olona betsaka, dia maro avy tamin'ny Efraima sy ny Manase sy ny Isakara ary ny Zebolona, no tsy mba nanadio ny tenany, kanefa nihinana ny Paska ihany izy, fa tsy araka izay voasoratra. Ary Hezekia nivavaka ho an'ireny ka nanao hoe: Jehovah tsara ô, mamelà

19. izay rehetra efa nampiomana ny fony hitady an'Andriamanitra, dia Jehovah, Andriamanitry ny razany, na dia tsy madio araka ny fahadiovan'ny fitoerana masina aza izy.

2 Tantara 30