2 Tantara 29:12-25 Malagasy Bible (MG1865)

12. Dia nitsangana ny Levita, dia Mahata, zanak'i Amasay, sy Joela, zanak'i Azaria, tamin'ny taranaky ny Kehatita; ary tamin'ny taranak'i Merary dia Kisy, zanak'i Abdia, sy Azaria, zanak'i Jehalalila; ary tamin'ny Gersonita dia Joa, zanak'i Zima, sy Edena, zanak'i Joa;

13. ary tamin'ny taranak'i Elizafana dia Simry sy Jeiela; ary tamin'ny taranak'i Asafa dia Zakaria sy Matania;

14. ary tamin'ny taranak'i Hemana dia Jehiela sy Simey; ary tamin'ny taranak'i Jedotona dia Semaia sy Oziela.

15. Ary namory ny rahalahiny izy, ka dia samy nanamasina ny tenany avy, dia tonga araka ny didin'ny mpanjaka noho ny tenin'i Jehovah mba hanadio ny tranon'i Jehovah.

16. Ary ny mpisorona niditra tao amin'ny efitra anatiny amin'ny tranon'i Jehovah mba hanadio azy, ka navoakany ny loto rehetra izay hitany tao an-tempolin'i Jehovah ho eo an-kianjan'ny tranon'i Jehovah. Ary ny Levita kosa nandray ireny havoakany ho any amin'ny lohasahan-driaka Kidrona.

17. Ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana voalohany no nanomboka ny fanamasinana izy, ary tamin'ny andro fahavalo tamin'io volana io dia niditra teo amin'ny lavarangana fidirana an'i Jehovah izy; ka dia nanamasina ny tranon'i Jehovah tamin'ny havaloana izy; ary tamin'ny andro fahenina ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany no nahavitany azy.

18. Dia niditra tao amin'i Hezekia mpanjaka izy ka nanao hoe: Efa voadionay avokoa ny tranon'i Jehovah sy ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana mbamin'ny fanaka rehetra momba azy ary ny latabatry ny mofo aseho mbamin'ny fanaka rehetra momba azy koa.

19. Ary ny fanaka rehetra izay novetavetain'i Ahaza mpanjaka tamin'ny nanotany, fony izy mbola nanjaka, dia efa namboarinay sy nohamasininay, koa indreo izy eo anoloan'ny alitaran'i Jehovah.

20. Dia nifoha maraina koa Hezekia mpanjaka ka namory ny mpanapaka ny tanàna, dia niakatra ho ao an-tranon'i Jehovah.

21. Ary nitondra vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy fito sy zanak'ondry fito izy ary osilahy fito ho fanatitra noho ny ota ho an'ny fanjakana sy ho an'ny fitoerana masina ary ho an'ny Joda. Ary ny mpisorona, taranak'i Arona, dia nasainy nanatitra ireo teo ambonin'ny alitaran'i Jehovah.

22. Dia novonoiny ny vantotr'ombilahy, ary noraisin'ny mpisorona ny rà ka natopiny tamin'ny alitara; ary novonoiny koa ny ondrilahy, dia natopiny tamin'ny alitara ny ràny; ary novonoiny koa ny zanak'ondry, dia natopiny tamin'ny alitara ny ràny.

23. Ary ny osilahy ho fanatitra noho ny ota dia nentiny teo anatrehan'ny mpanjaka sy ny fiangonana ka nametrahany tanana;

24. dia novonoin'ny mpisorona ireo, ka ny ràny nataony teo amin'ny alitara araka ny fanao ho fanatitra noho ny ota hanaovana fanavotana ho an'ny Isiraely; fa ho an'ny Isiraely rehetra no nasain'ny mpanjaka nanaovana ny fanatitra dorana sy ny fanatitra noho ny ota.

25. Ary ny mpanjaka nametraka ny Levita tao an-tranon'i Jehovah hitondra kipantsona sy valiha ary lokanga, araka ny didin'i Davida mpanjaka sy Gada, mpahitan'ny mpanjaka, sy Natana mpaminany; fa izany no didin'i Jehovah nampitondrainy ny mpaminaniny.

2 Tantara 29