1. Dimy amby roa-polo taona Hezekia, fony izy vao nanjaka, ary sivy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Abia, zanakavavin'i Zakaria.
2. Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah izy, tahaka izay rehetra nataon'i Davida rainy.
3. Tamin'ny volana voalohany tamin'ny taona voalohany nanjakany dia namoha ny varavaran'ny tranon'i Jehovah izy ka namboatra azy.
4. Ary dia nampidiriny tao ny mpisorona sy ny Levita ka nangoniny teo ankalalahana atsinanana.
5. Ary hoy izy taminy: Mihainoa ahy, ianareo Levita, ka hamasino ny tenanareo izao, ary hamasino koa ny tranon'i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, ary esory amin'ny fitoerana masina ny loto.
6. Fa ny razantsika nandiso sy nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah Andriamanitsika ary nahafoy Azy sy nihodina ka niamboho ny fonenan'i Jehovah.