13. nanao taminy hoe: Tsy mahazo mampiditra ny babo eto ianareo; fa mikasa hanampy ny fahotantsika sy ny fahadisoantsika ianareo mba hahameloka antsika amin'i Jehovah; fa efa be ny fahadisoantsika, ka iharan'ny fahatezerana mirehitra ny Isiraely.
14. Dia nalefan'ny miaramila teo anatrehan'ny mpanapaka sy ny fiangonana rehetra izay sambo-belona sy babo azony,
15. ka ireo olona voalaza anarana ireo dia nitsangana ka naka ny sambo-belona, ary izay rehetra tsy nitafy no nampiakanjoiny tamin'ny zavatra nentiny; eny, nampiakanjoiny sy nokiraroiny izy ary nampihinaniny sy nampisotroiny ary nohosorany, sady nampitaingeniny boriky izay rehetra osaosa, ka nentiny tany Jeriko, tanĂ na be rofia, ho any amin'ny rahalahiny; dia niverina tany Samaria izy.
16. famin'izany andro izany Ahaza mpanjaka naniraka tany amin'ny mpanjakan'i Asyria nangataka ny any hanampy azy.
17. Fa ny Edomita dia tonga indray ka namely ny Joda ary namabo azy.