2 Tantara 26:1-4 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary ny vahoaka rehetra tamin'ny Joda naka an'i Ozia, izay enina ambin'ny folo taona, ka nampanjaka azy handimby an'i Amazia rainy.

2. Izy no nanamboatra an'i Elota ka nampody azy ho an'ny Joda indray, rehefa lasa nodimandry any amin'ny razany ny mpanajaka.

3. Enina ambin'ny folo taona Ozia, fony izy vao nanjaka, ary roa amby dimam-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jekolia, avy any Jerosalema.

4. Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah izy, tahaka izay rehetra nataon'i Amazia rainy.

2 Tantara 26