6. Ary nisy lehilahy mahery iray hetsy tamin'ny Isiraely nokaramainy talenta volafotsy zato.
7. Nefa nisy lehilahin'Andriamanitra tonga tao aminy ka nanao hoe: Ry mpanjaka, aza avela hanaraka anao ny miaramilan'ny Isiraely; fa tsy omban'i Jehovah ny Isiraely, dia ny taranak'i Efraima rehetra.
8. Fa mandehana ihany ianao, ka manaova, ary mahereza amin'ny ady; fa hataon'Andriamanitra lavo eo anoloan'ny fahavalo ianao; fa Andriamanitra no mahay mamonjy sy mampahalavo.
9. Fa hoy Amazia tamin'ilay lehilahin'Andriamanitra: Ka hataontsika ahoana ny amin'ny talenta zato nomeko ny miaramilan'ny Isiraely? Asy hoy ilay lehilahin'Andriamanitra taminy: Jehovah mahay manome anao mihoatra lavitra noho izany.
10. Dia navahan'i Amazia ireo miaramila tonga tao aminy avy tamin'ny Efraima ireo mba hody indray; ary nirehitra mafy ny fahatezeran'ireo tamin'ny Joda, dia lasa nody izy sady tezitra indrindra.
11. Ary Amazia nitombo hery, dia nitarika ny vahoakany ka nankany amin'ny Lohasahan-tsira, ary nahafaty iray alina tamin'ny taranak'i Seira izy.
12. Ary ny iray alina sisa nataon'ny taranak'i Joda sambo-belona, dia nentiny teo an-tampon'ny hantsam-bato ary navariny teo, ka montsamontsana izy rehetra.
13. Fa ireo miaramila izay nampodin'i Amazia tsy hiara-manafika aminy dia nihahakahaka teny an-tanànan'ny Joda hatrany Samaria ka hatrany Beti-horona ka nahafaty olona telo arivo tany sady nahazo babo betsaka.
14. Ary Amazia, nony niverina avy nanafika ny Edomita, dia nitondra ny andriamanitry ny taranak'i Seira ka nanangana azy ho andriamaniny; ary niankohoka teo anatrehany izy sady nandoro ditin-kazo manitra ho azy.
15. Dia nirehitra tamin'Amazia ny fahatezeran'i Jehovah, ka naniraka mpaminany anankiray ho any aminy Izy hanontany azy, hoe: Nahoana ianao no mitady ny andriamanitry ny firenena, izay tsy naharo ny olony tamin'ny tananao aza?
16. Ary raha niteny taminy izy, dia novaliany hoe: Moa voatendrinay ho mpanolo-tsaina ny mpanjaka va Hianao? Aoka itsy ange, fandrao asian'ny olona ianao. Dia nitsahatra ilay mpaminany ka nanao hoe: Fantatro fa Andriamanitra mikasa hahafaty anao satria nanao izany ianao ka tsy nihaino ny anatro.
17. Ary Amazia. mpanjakan'ny Joda, naka hevitra, dia naniraka tany amin'i Joasy, zanak'i Joahaza, zanak'i Jeho, mpanjakan'ny Isiraely, izy hanao hoe: Avia, aoka isika hihaona.
18. Fa Joasy, mpanjakan'ny Isiraely, naniraka tany amin'i Amazia, mpanjakan'ny Joda, nanao hoe: Ny tsilo izay tany Libanona naniraka tamin'ny hazo sedera izay tany Libanona nanao hoe: Omeo ny zanakolahy ny zanakaovavy ho vadiny; dia namaky teo ny bibi-dia tany Libanona ka nanosihosy ny tsilo.
19. Lazainao fa namely an'i Edoma ianao, ka dia nanesika anao hirehareha ny fonao; mitoera ihany ange ao an-tranonao, fa nahoana no hihaika ny loza hahalavo ny tenanao mbamin'ny Joda koa ianao?
20. Fa tsy nanaiky Amazia, satria avy tamin'Andriamanitra izany, mba hanolorany azy ho eo an-tànan'ny fahavalony noho ny nitadiavany ny andriamanitry ny Edomita.
21. Ka dia niakatra Joasy, mpanjakan'ny Isiraely; ary izy sy Amazia, mpanjakan'ny Joda, nihaona tany Beti-semesy izay an'i Joda.