3. Ary nony tafapetraka tsara tamin'ny fanjakany izy, dia novonoiny ireo mpanompony izay namono ny mpanjaka rainy.
4. Nefa ny zanak'ireo namono dia tsy mba novonoiny, fa nataony araka izay voasoratra ao amin'ny bokin'ny lalàna. dia ao amin'ny bokin'i Mosesy, izay nandidian'i Jehovah hoe: Ny ray tsy hatao maty amin'ny ataon'ny zanany, ary ny zanaka tsy hatao maty amin'ny ataon'ny rainy, fa samy ho faty amin'ny fahotany avy ny olona.
5. Ary novorin'i Amazia ny Joda, ka nalahany araka ny fianakaviany avy, dia araka ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato avy amin'ny Joda sy ny Benjamina rehetra: dia nisainy ny hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, ka olona telo hetsy voafantina no hitany, izay azo nalefa hanafika sady nahatan-defona sy ampinga lehibe.
6. Ary nisy lehilahy mahery iray hetsy tamin'ny Isiraely nokaramainy talenta volafotsy zato.
7. Nefa nisy lehilahin'Andriamanitra tonga tao aminy ka nanao hoe: Ry mpanjaka, aza avela hanaraka anao ny miaramilan'ny Isiraely; fa tsy omban'i Jehovah ny Isiraely, dia ny taranak'i Efraima rehetra.
8. Fa mandehana ihany ianao, ka manaova, ary mahereza amin'ny ady; fa hataon'Andriamanitra lavo eo anoloan'ny fahavalo ianao; fa Andriamanitra no mahay mamonjy sy mampahalavo.
9. Fa hoy Amazia tamin'ilay lehilahin'Andriamanitra: Ka hataontsika ahoana ny amin'ny talenta zato nomeko ny miaramilan'ny Isiraely? Asy hoy ilay lehilahin'Andriamanitra taminy: Jehovah mahay manome anao mihoatra lavitra noho izany.