4. Izao no hataonareo: ny ampahatelonareo izay milatsaka amin'ny Sabata, dia ny mpisorona sy ny Levita, ho mpiandry varavarana;
5. ary ny ampahatelonareo ho ao an-tranon'ny mpanjaka; ary ny ampahatelonareo ho eo amin'ny vavahadin'ny fanorenana; ary ny vahoaka rehetra kosa dia ho eo amin'ny kianjan'ny tranon'i Jehovah.
6. Fa aza avela hisy hiditra ao an-tranon'i Jehovah afa-tsy ny mpisorona sy ny Levita izay manao fanompoam-pivavahana ihany; ireo ihany no hiditra, satria masina ireo; fa ny vahoaka rehetra kosa dia hitandrina izay nasain'i Jehovah hotandremana.
7. Ary ny Levita hanemitra manodidina ny mpanjaka, samy mitana ny fiadiany avy; ka na iza na iza miditra ao an-trano dia Vonoy, ary arahonareo ny mpanjaka, na miditra na mivoaka izy.