2. Ary nanan-drahalahy, zanak'i Josafata, koa izy, dia Azaria sy Jehiela sy Zakaria sy Azaria sy Mikaela ary Sefatia; ireo rehetra ireo no zanak'i Josafata, mpanjakan'ny Isiraely.
3. Ary nomen-drainy harena betsaka ireo, dia volafotsy sy volamena ary zava-tsoa mbamin'ny tanĂ na sasany mimanda tany Joda; fa ny fanjakana kosa dia nomeny an'i Jehorama, satria izy no lahimatoa.
4. Ary raha vao nanjaka tamin'ny fanjakan'ny rainy Jehorama, dia nitombo hery izy ka namono ny rahalahiny rehetra mbamin'ny mpanapaka sasany tamin'ny Isiraely koa tamin'ny sabatra.