2 Tantara 20:22-26 Malagasy Bible (MG1865)

22. Ary raha vao nanomboka nihoby sy nidera ireo, dia nasian'i Jehovah otrika hamely ny taranak'i Amona sy Moaba sy ny avy any an-tendrombohitra Seira, izay avy hamely ny Joda, ka dia resy ireo.

23. Dia nitsangana ny taranak'i Amona sy Moaba namely ny avy any an-tendrombohitra Seira ka namono sy nandringana azy; ary nony voaringany ny mponina tany Seira, dia nifandringana kosa izy samy izy ihany.

24. Ary nony tonga teo amin'ilay fitazanana any an-efitra ny Joda, dia nijery ireo olona betsaka ireo izy, koa, indreo, nisy faty niampatrampatra tamin'ny tany, fa tsy nisy afa-nandositra.

25. Ary avy hamabo azy Josafata sy ny vahoakany, dia nahita harena betsaka sy faty ary fanaka sarobidy teo izy, ka dia namabo mihoatra noho izay zakany ho entina; ary hateloana no nanangonany ny babo, fa be dia be ireny.

26. Ary tamin'ny andro fahefatra dia nivory tao amin'ny lohasaha Beraka izy, fa tany no nisaorany an'i Jehovah; koa izany no nanaovany izany tany izany hoe Lohasaha Beraka mandraka androany.

2 Tantara 20