2 Tantara 20:1-4 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary nony afaka izany, dia avy hiady tamin'i Josafata ny taranak'i Moaba sy ny taranak'i Amona mbamin'ny any ankoatry ny Amonita.

2. Ary nisy tonga ka nanambara tamin'i Josafata hoe: Indreo, misy olona betsaka avy any an-dafin'ny ranomasina, dia avy any Syria, ho avy hiady aminao; ary indreo izy ao Hazezon-tamara (Enjedy izany).

3. Dia natahotra Josafata ka nanatrika tsara hitady an'i Jehovah sady niantso andro fifadian-kanina ho an'ny tanin'ny Joda rehetra.

4. Dia niangona ny Joda hangataka famonjena amin'i Jehovah; eny, avy tamin'ny tanĂ nan'ny Joda rehetra hitady an'i Jehovah izy.

2 Tantara 20