2 Tantara 20:1-14 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary nony afaka izany, dia avy hiady tamin'i Josafata ny taranak'i Moaba sy ny taranak'i Amona mbamin'ny any ankoatry ny Amonita.

2. Ary nisy tonga ka nanambara tamin'i Josafata hoe: Indreo, misy olona betsaka avy any an-dafin'ny ranomasina, dia avy any Syria, ho avy hiady aminao; ary indreo izy ao Hazezon-tamara (Enjedy izany).

3. Dia natahotra Josafata ka nanatrika tsara hitady an'i Jehovah sady niantso andro fifadian-kanina ho an'ny tanin'ny Joda rehetra.

4. Dia niangona ny Joda hangataka famonjena amin'i Jehovah; eny, avy tamin'ny tanànan'ny Joda rehetra hitady an'i Jehovah izy.

5. Ary Josafata nitsangana teo amin'ny fiangonan'ny Joda sy Jerosalema, Tao amin'ny tranon'i Jehovah, teo anoloan'ny kianja vaovao,

6. ka nanao hoe: Ry Jehovah ô, Andriamanitry ny razanay, tsy Hianao va no Andriamanitra any an-danitra? Eny, Hianao no manapaka amin'ny fanjakan'ny jentilisa rehetra, ary eo an-tananao ny hery sy ny fahefana, ka tsy misy mahasakana Anao.

7. Ry Andriamanitray ô, tsy Hianao va no nandroaka ny mponina tamin'ity tany ity hiala teo anoloan'ny Isiraely olonao ka nanome azy mandrakizay ho an'ny taranak'i Abrahama sakaizanao?

8. Ary nonina tatỳ izy ka nanao fitoerana masina teto ho an'ny anaranao sady nanao hoe:

9. Raha manjo anay ny loza, na sabatra, na famaliana, na areti-mandringana, na mosary, ary hitsangana manatrika ity trano ity sy eto anatrehanao izahay (fa ny anaranao no amin'ity trano ity) ka hitaraina aminao amin'ny fahorianay, dia hihaino Hianao ka hamonjy.

10. Koa indreo ny taranak'i Amona sy Moaba ary ny avy any an-tendrombohitra, Seira, dia ilay tsy navelanao hotafihin'ny Isiraely, fony izy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, ka nivily fa tsy nandringana azy;

11. nefa indreo izy mamaly ratsy anay ka avy handroaka anay amin'ny lova nomenao anay.

12. Ry Andriamanitray ô, tsy hitsara azy va Hianao? Fa izahay dia tsy manan-kery hanohitra ireo olona betsaka ireo, izay avy hamely anay, koa tsy hitanay izay hataonay; fa Hianao no andrandrain'ny masonay.

13. Ary ny Joda rehetra mbamin'ny vadiny aman-janany koa dia samy nitsangana teo anatrehan'i Jehovah.

14. Ary Jahaziela, zanak'i Zakaria, zanak'i Benaia, zanak'i Jeiela, zanak'i Matania, Levita amin'ny taranak'i Asafa, dia voatsindrin'ny Fanahin'i Jehovah teo amin'ny fiangonana

2 Tantara 20