7. Koa aoka ho ao aminareo ny tahotra an'i Jehovah; tandremo ka ataovy izany, fa tsy mba misy heloka amin'i Jehovah Andriamanitsika, na fizahan-tavan'olona, na fandraisana kolikoly.
8. Ary tany Jerosalema koa no nanendren'i Josafata ny sasany tamin'ny Levita sy ny mpisorona ary ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny Isiraely ho amin'ny fitsaran'i Jehovah sy ny adin'olona (fa efa tafaverina tany Jerosalema izy tamin'izay)
9. ka dia nandidy azy hoe: Izao no hataonareo amin'ny fahatahorana an'i Jehovah sy amin'ny fahamarinana ary amin'ny fo mahitsy: