1. Ary Josafata, mpanjakan'ny Joda, niverina soa aman-tsara ho any an-tranony tany Jerosalema.
2. Ary nivoaka hitsena azy Jeho, zanak'i Hanany mpahita, ka nanao tamin'i Josafata mpanjaka hoe: Moa ny ratsy fanahy va no tokony hampiana, ary izay mankahala an'i Jehovah va no tokony ho tianao? Koa noho izany dia tezitra aminao Jehovah.