8. Ary ny mpanjakan'ny Isiraely niantso ny tandapa anankiray ka nanao taminy hoe: Alao faingana Mikaia, zanak'i Jimla.
9. Ary ny mpanjakan'ny Isiraely sy Josafata, mpanjakan'ny Joda, samy nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany avy teo amin'ny famoloana eo anoloan'ny vavahadin'i Samaria, sady samy efa niakanjo ny akanjony avy; ary ny mpaminany rehetra naminany teo anatrehany.
10. Ary Zedekia, zanak'i Kenana, dia nanao tandroby ka nanao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Ireto no hanotoanao ny Syriana mandra-paharingany.
11. Ary ny mpaminany rehetra naminany toy izao koa hoe: Mandehana ho any Ramota-gileada, dia hambinina ianao; fa hotolotr'i Jehovah eo an-tananao izy, ry mpanjaka.
12. Ary ilay iraka izay nandeha naka an'i Mikaia niteny taminy hoe: Indro. fa efa iray teny avokoa izao ny mpaminany, ka samy milaza soa ho an'ny mpanjaka: masìna ianao, aoka re ny teninao mba ho tahaka ny an'ny anankiray amin'ireo, ka mba mitenena soa koa.
13. Dia hoy Mikaia: Raha velona koa Jehovah, izay lazain'Andriamanitro ihany no hambarako.
14. Dia nankany amin'ny mpanjaka izy. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ry Mikaia, handeha hanafika an'i Ramota-gileada va isika, sa hijanona ihany aho? Ary izy namaly azy hoe: Mandehana, dia hambinina ianareo, fa hatolotra eo an-tananareo izy.