21. Dia hoy izy: Hivoaka aho ka ho tonga fanahy mandainga ao am-bavan'ny mpaminaniny rehetra. Dia hoy indray Jehovah: Ho voataonanao ihany izy, ka hahatanteraka ianao; mivoaka ary, ka ataovy izany.
22. Koa, indro, Jehovah efa nanisy fanahy mandainga ao am-bavan'ireto mpaminaninao ireto, ary Izy koa efa nilaza ny loza hanjo anao.
23. Fa Zedekia, zanak'i Kenana, nanatona, dia namely ny takolak'i Mikaia sady nanao hoe: Taiza no lalana nialan'ny Fanahin'i Jehovah tamiko hiteny aminao?
24. Dia hoy Mitaia: Indro, ho hitanao izany amin'ny andro hidiranao ao amin'ny efi-trano anatiny hierenao.
25. Dia hoy ny mpanjakan'ny Isiraely: Raiso Mikaia, ka ento miverina izy ho any amin'i Amona, komandin'ny tanana, sy ho any amin'i Joasy, zanaky ny mpanjaka,