1. Ary ny Fanahin'Andriamanitra tonga tamin'i Azaria, zanak'i Odeda;
2. ary dia nivoaka hitsena an'i Asa izy ka nanao taminy hoe: Mihainoa ahy, ry Asa mbamin'ny Joda sy ny Benjamina rehetra: Jehovah momba anareo, raha ianareo momba Azy; ary raha mitady Azy kosa ianareo, dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy ianareo, dia hahafoy anareo Izy.
3. Ary efa ela ny Isiraely no tsy nanana an'Andriamanitra marina, na mpisorona mampianatra, na lalàna.
4. Fa raha niverina tamin'Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, izy nony azom-pahoriana, ka nitady Azy, dia nahita Azy.