2 Tantara 10:17-19 Malagasy Bible (MG1865)

17. Fa ny Zanak'isiraely izay nonina tany an-tanànan'ny Joda ihany no nanjakan-dRehoboama.

18. Ary dia naniraka an'i Adorama, komandin'ny mpanao fanompoana, Rehoboama mpanjaka, nefa ny Zanak'isiraely nitora-bato azy, ka maty izy. Dia niezaka faingana nankeo amin'ny kalesiny Rehoboama mpanjaka handositra ho any Jerosalema.

19. Ka dia niodina tamin'ny taranak'i Davida ny Isiraely mandraka androany.

2 Tantara 10