1. Ary Solomona, zanak'i Davida, dia nitombo hery tamin'ny fanjakany, ary Jehovah Andriamaniny nomba azy ka nanandratra azy indrindra.
2. Ary Solomona nandidy Isiraely rehetra, dia mpifehy arivo sy mpifehy zato sy mpitsara ary loham-pirenena rehetra tamin'ny Isiraely, dia lohan'ny fianakaviana,
3. ka dia niara-niakatra ho any amin'ny fitoerana avo tao Gibeona Solomona sy fiangonana rehetra; fa tao trano-lay fihaonana izay an'Andriamanitra, ilay nataon'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, tany an-efitra.
4. Fa fiaran'Andriamanitra efa nampakarin'i Davida avy ta Kiriata-jearima ho ao amin'izay efa namboariny ho azy; fa efa nanorina lay ho azy tany Jerosalema izy.
5. Ary alitara varahina izay nataon'i Bezalila, zanak'i Ory zanak'i Hora, dia teo anoloan'ny tabernakelin'i Jehovah; ary Solomona sy fiangonana nitady Azy tao.
6. Ary Solomona nanatitra fanatitra teo amin'ny alitara varahina teo anatrehan'i Jehovah, izay momba ny trano-lay fihaonana; fanatitra dorana arivo no nateriny teo.
7. Tamin'ny alin'iny no nisehoan'Andriamanitra tamin'i Solomona, ka hoy Izy taminy: Angataho izay tianao homeko anao.
8. Dia hoy Solomona tamin'Andriamanitra: Hianao efa naneho fahasoavana lehibe tamin'i Davida raiko ary nampanjaka ahy handimby azy.
9. Koa ankehitriny, ry Jehovah Andriamanitra รด. aoka ho tanteraka teninao tamin'i Davida raiko; fa Hianao efa nampanjaka ahy tamin'ny vahoaka maro be tahaka ny vovo-tany.
10. Koa omeo fahendrena sy fahalalana aho hitarihako ireto vahoaka ireto mivoaka sy miditra; fa iza no hahay mitsara izao olonao betsaka izao?
11. Dia hoy Andriamanitra tamin'i Solomona: Satria tao am-ponao izany ka tsy nangataka vola aman-karena ianao, na voninahitra, na ain'ny fahavalonao, ary tsy nangataka ho ela velona aza, fa nangataka fahendrena sy fahalalana hitsaranao ny oloko izay nampanjakako anao,