15. Ary Davida sy ny taranak'i Isiraely rehetra nampakatra ny fiaran'i Jehovah tamin'ny hoby sy ny feon'ny anjomara.
16. Ary nony tonga teo an-TanĂ nan'i Davida ny fiaran'i Jehovah, dia nitsirika teo am-baravarankely Mikala, zanakavavin'i Saoly, ka nahita an'i Davida mpanjaka nibitaka sy nitsinjaka teo anatrehan'i Jehovah; ka dia nikizaka azy tao am-pony izy.
17. Ary nampiditra ny fiaran'i Jehovah ny olona ka nametraka azy teo amin'ny fitoerany tao amin'ny lay izay naorin'i Davida hitoerany; ary Davida nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo anatrehan'i Jehovah.
18. Ary nony voatitr'i Davida ny fanatitra dorana sy ny fanati-pihavanana, dia nitso-drano ny vahoaka tamin'ny anaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, izy.