2 Samoela 5:8-19 Malagasy Bible (MG1865)

8. Ary hoy Davida tamin'izany andro izany: Izay mamely ny Jebosita, dia aoka hananika ho eo amin'ny riana ka hamely, ny mandringa sy ny jamba izay halan'ny fon'i Davida. Koa dia mby am-pitenenana hoe: Izay jamba mandringa tsy ho tafiditra ao an-trano.

9. Dia nitoetra tao anatin'ny batery fiarovana Davida, ary ny anarany nataony hoe: TanĂ nan'i Davida. Ary narafitr'i Davida ny manodidina hatrany Milo mbamin'ny ao anatiny.

10. Koa dia nandroso sy nihalehibe Davida, fa Jehovah, Andriamanitry ny maro, no nomba azy.

11. Ary Hirama, mpanjakan'i Tyro, naniraka olona tany amin'i Davida nampanatitra hazo sedera ary nandefa mpandrafitra sy tambato; dia nanao trano ho an'i Davida ireo.

12. Dia fantatr'i Davida fa Jehovah efa nampitoetra azy ho mpanjakan'ny Isiraely ka nanandratra ny fanjakany noho ny amin'ny Isiraely olony.

13. Ary Davida mbola naka vaditsindrano sy vady koa tany Jerosalema, rehefa tonga avy tany Hebrona izy; ary dia nisy zanakalahy sy zanakavavy koa naterak'i Davida.

14. Ary izao no anaran'ny naterany tany Jerosalema: Samoa sy Sobaba sy Natana sy Solomona

15. sy Jibara sy Elisoa sy Nafega sy Jafia

16. sy Elisama sy Eliada ary Elifeleta.

17. Koa nony ren'ny Filistina fa efa nohosoran'ny olona ho mpanjakan'ny Isiraely Davida, dia niakatra hitady azy ny Filistina rehetra; fa raha ren'i Davida izany dia nidina tao amin'ny batery fiarovana izy.

18. Ary dia tonga ny Filistina ka nihahakahaka teny amin'ny Lohasahan'ny Refaita.

19. Ary Davida nanontany tamin'i Jehovah hoe: Hiakatra hamely ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tanako va izy? Dia hoy Jehovah tamin'i Davida: Miakara, fa hatolotro eo an-tananao tokoa ny Filistina.

2 Samoela 5