1. Ary nony ren'ny zanakalahin'i Saoly fa maty tany Hebrona Abnera, dia niraviravy tanana izy, ary raiki-tahotra ny Isiraely rehetra.
2. Ary nisy roa lahy, lehiben'ny mpitohan'ny zanakalahin'i Saoly, Bana no anaran'ny iray, ary Rekaba no anaran'ny iray, samy zanak'i Rimona Berotita tamin'ny taranak'i Benjamina (fa Berota koa natao ho isan'ny an'i Benjamina;
3. ary ny Berotita nandositra nankany Gitaima, dia nivahiny tany mandraka androany).