8. Dia tezitra mafy Abnera noho ny tenin'Isboseta, ka hoy izy: Lohan'alika no miandany amin'ny Joda va aho? He! izato izaho manisy soa ny tamingan'i Saoly rainao sy ny rahalahiny sy ny sakaizany izao ka tsy nanolotra anao ho eo an-tànan'i Davida, nefa aho izao helohinao noho ny amin'iny vehivavy iny?
9. Hataon'Andriamanitra amin'i Abnera anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hataoko aminy araka ny nianianan'i Jehovah tamin'i Davida,
10. ka hampiala ny fanjakana amin'ny tamingan'i Saoly aho ary hampitoetra ny seza fiandrianan'i Davida amin'ny Isiraely sy amin'ny Joda hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba.