5. Fa nihodidina tamiko ny onjan'ny fahafatesana. Ary ny riaky ny faharatsiana nampahatahotra ahy.
6. Ny famatoran'ny fiainan-tsi-hita nihodidina tamiko, nisakana ahy ny fandriky ny fahafatesana.
7. Fony azom-pahoriana aho, dia niantso an'i Jehovah, eny, Andriamanitro no nitarainako; nihaino ny feoko tao an-tempoliny Izy, ary ny fitarainako dia efa tonga eo an-tsofiny.
8. Dia nihozongozona sy nihorohoro ny tany, ary ny fiorenan'ny lanitra nihorohoro, eny, nihozongozona ireo, satria tezitra Jehovah.
9. Nisy setroka nisavoana teo am-bavorony, ary afo avy teo am-bavany no nandevona ka nisy vainafo nidedadeda teo aminy.
10. Dia naondriny ny lanitra, ka nidina Izy; Ary aizim-pito no teo ambanin'ny tongony.