2 Samoela 22:21-37 Malagasy Bible (MG1865)

21. Nanisy soa ahy araka ny fahamarinako Jehovah; Araka ny fahadiovan'ny tanako no namaliany ahy.

22. Fa nitandrina ny lalan'i Jehovah aho ka tsy mba nanao ratsy hialana tamin'Andriamanitro;

23. Ny fitsipiny rehetra dia teo anatrehako, ary ny lalàny tsy mba nialako;

24. Tsy nanan-tsiny taminy aho sady niaro tena tsy ho azon'ny fahotako;

25. Koa namaly ahy araka ny fahamarinako Jehovah, dia araka ny fahadiovako teo imasony.

26. Ny olona tsara no isehoanao fa tsara; Ny tena olo-marina no isehoanao fa marina;

27. Ny madio no isehoanao fa madio; Ary ny mpiolakolaka kosa no isehoanao fa lalin-tsaina.

28. Fa ny olona ory dia vonjenao; Fa ny masonao manandrina ny mpiavonavona, ka aetrinao ireny.

29. Fa Hianao no jiroko, Jehovah ô; Jehovah mampahazava ny fahamaizinako.

30. Fa Hianao no ahazoako mitsarapaka hamely ny miaramila iray toko; Ary Andriamanitro no ahazoako mitsambikina mihoatra ny manda.

31. Raha ny amin'Andriamanitra, dia marina ny lalany; Ny tenin'i Jehovah dia voazaha toetra amin'ny memy; Jehovah no ampingan'izay rehetra mialoka aminy.

32. Fa iza no Andriamanitra afa-tsy Jehovah? Ary iza no vatolampy afa-tsy Andriamanitsika?

33. Izany Andriamanitra izany no fiarovana mafy ho ahy; Mitondra ny marina amin'ny lalany Izy.

34. Ary manao ny tongony ho tahaka ny an'ny dieravavy Izy; Mampitoetra ahy eo amin'ny fitoerako avo Izy.

35. Mampianatra ny tanako hiady Izy, ka mahahenjana tsipìka varahina ny sandriko.

36. Omenao ahy ny ampingan'ny famonjenao; Ary ny fahamoram-panahinao no mahalehibe ahy.

37. Halalahinao ny lalana hodiaviko, ka tsy mangovitra ny hato-tongotro.

2 Samoela 22