4. Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Amasa: Vorio ny lehilahy amin'ny Joda ho eto amiko amin'ny hateloana, ary aoka mba ho eto koa ny tenanao.
5. Ary dia lasa Arnasa namory ny Joda, fa nandiso ny fotoan'andro nomeny azy izy.
6. Ary hoy Davida tamin'i Abisay: Ankehitriny izao dia Seba, zanak'i Bikry no ahitantsika loza mihoatra noho Absaloma; koa ento ny mpanomponao ny tomponao, ka enjeho izy, fandrao mahazo tanĂ na mimanda ka tsy ho azontsika.
7. Ary dia nivoaka hanenjika azy ny olon'i Joaba sy ny miaramila mpiambina andriana ary ny lehilahy mahery rehetra; dia nivoaka avy tany Jerosalema ireo hanenjika an'i Seba, zanak'i Bikry.