22. Dia lasa nanatona ny olona rehetra tamin'ny fahendreny ravehivavy. Dia notapahin'ireo ny lohan'i Seba, zanak'i Bikry, ka natsipiny teny amin'i Joaba. Ary Joaba nitsoka ny anjomara, ka dia niala tamin'ny tanĂ na ny olona samy ho any amin'ny lainy avy. Ary Joaba niverina nankany Jerosalema ho any amin'ny mpanjaka.
23. Ary Joaba no komandin'ny miaramila rehetra tamin'ny Isiraely; ary Benaia, zanak'i Joiada, no mpifehy ny miaramila mpiambina andriana;
24. ary Adorama no komandin'ny mpanao fanompoana; ary Josafata, zanak'i Ahiloda, no mpitadidy ny raharaham-panjakana;
25. ary Seva no mpanoratra; ary Zadoka sy Abiatara no mpisorona;
26. ary Ira Jairita kosa no mpanolo-tsaina an'i Davida.