2. Ka dia samy niara-nandao an'i Davida ny lehilahy amin'ny Isiraely ka nanaraka an'i Seba, zanak'i Bikry; fa ny lehilahy amin'ny Joda no nifikitra tamin'ny mpanjakany hatrany Jordana ka hatrany Jerosalema.
3. Ary nony tonga tao an-tranony tany Jerosalema Davida mpanjaka, dia nalainy ny vaditsindranony folo vavy izay navelany hiandry trano tao, ka nataony tao an-trano fiambenana ary nomeny fivelomana, fa tsy nandriany intsony. Ka dia nambenana tao mandra-pahafatiny ireo ka velona tsy nanam-bady intsony.
4. Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Amasa: Vorio ny lehilahy amin'ny Joda ho eto amiko amin'ny hateloana, ary aoka mba ho eto koa ny tenanao.
5. Ary dia lasa Arnasa namory ny Joda, fa nandiso ny fotoan'andro nomeny azy izy.
6. Ary hoy Davida tamin'i Abisay: Ankehitriny izao dia Seba, zanak'i Bikry no ahitantsika loza mihoatra noho Absaloma; koa ento ny mpanomponao ny tomponao, ka enjeho izy, fandrao mahazo tanàna mimanda ka tsy ho azontsika.
7. Ary dia nivoaka hanenjika azy ny olon'i Joaba sy ny miaramila mpiambina andriana ary ny lehilahy mahery rehetra; dia nivoaka avy tany Jerosalema ireo hanenjika an'i Seba, zanak'i Bikry.
8. Fa nony tonga tao amin'ilay vato lehibe tao Gibeona izy, dia avy Amasa nitsena azy; ary ny akanjo fiadian'i Joaba, ilay niakanjoany, dia nofehezina taminy, ary teo amboniny teo am-balahany no nisy ny fehin-tsabany ambamin'ny tranony; ary nony nandeha izy, dia latsaka ny sabatra.
9. Ary hoy Joaba tamin'i Amasa: Tsara ihany va ianao, ry rahalahy? Dia noraisin'i Joaba tamin'ny tànany ankavanana ny somotr'i Amasa horohany.
10. Fa Amasa tsy nanahinahy ny sabatra teny an-tànan'i Joaba, kanjo nasiany tamin'ny kibony izy, ka dia nivaroraka tamin'ny tany ny tsinainy, ary tsy nasiany intsony, fa matiny tamin'izay. Ary Joaba sy Abisay rahalahiny nanenjika an'i Seba, zanak'i Bikry.
11. Ary ny zatovon'i Joaba anankiray nijanona teo anilan'ny faty ka nanao hoe: Izay miandany amin'i Joaba sy Davida dia aoka hanaraka an'i Joaba.
12. Ary Amasa nihosin-drà teo anaty lalambe. Ary raha hitan-dralehilahy fa nijanona ny olona rehetra, dia nafindrany niala teo amin'ny lalambe ho any an-tsaha ny fatin'i Amasa ka nosaronany lamba, nony hitany fa nijanona izay rehetra mandalo azy.
13. Ary nony nafindrany niala teo amin'ny lalambe izy, dia nizotra nanaraka an'i Joaba ny olona rehetra hanenjika an'i Seba, zanak'i Bikry.
14. Ary izy nandeha namaky ny firenen'Isiraely rehetra hatrany Abela sy Beti-maka sy ny an'ny Berita rehetra; ary nivory ireo, ka dia mba lasa nanaraka azy.
15. Ary dia tonga izy ka nanao fahirano azy teo Abela sy Beti-maka, ary nanandratra tovon-tany tandrifin'ny tanàna izy, ka teo ivelany manolotra ny manda no nitoerany; ary ny olona izay nomba an'i Joaba dia namely nandrava ny manda.