2 Samoela 20:16-21 Malagasy Bible (MG1865)

16. Ary nisy vehivavy hendry tao an-tanàna niantso hoe: Mihainoa, mihainoa e; masìna ianareo, lazao amin'i Joaba hoe: Mankanesa erỳ aminy, hono, ianao, fa misy holazainy aminao.

17. Ary nony efa mby tao akaiky izy, dia hoy ravehivavy: Hianao va no Joaba? Dia hoy izy: Eny, izaho no izy. Ary hoy ravehivavy taminy: Mihainoa ny teniko mpanompovavinao. Dia hoy izy: Mihaino aho izao.

18. Ary hoy ravehivavy: Izao no fitenin'ny olona taloha: Aoka hanadina ao Abela izy; koa araka izany ny nahavitany raharaha.

19. Izaho dia isan'ny tia fihavanana sady olona mahatoky eto amin'ny Isiraely; fa ianao kosa mitady handrava renivohitra eto amin'ny. Isiraely, koa ahoana no hamongoranao ny lovan'i Jehovah?

20. Ary Joaba namaly hoe: Sanatria dia sanatria amiko izay handripaka sy handringana.

21. Tsy izany tsy akory; fa misy lehilahy avy amin'ny tany havoan'i Efraima, Seba no anarany, zanak'i Bikry, izay efa nanainga tanana hikomy amin'i Davida mpanjaka; koa izy ihany no atolory ahy, dia hiala amin'ny tanàna aho. Ary hoy ravehivavy tamin'i Joaba: Indro, ny lohany atsipy eny aminao eny ankoatry ny manda.

2 Samoela 20