2 Samoela 19:28-35 Malagasy Bible (MG1865)

28. Nefa nendrikendrehiny tamin'ny mpanjaka tompoko izaho mpanomponao; fa ny mpanjaka tompoko dia hoy Ilay Anjelin'Andriamanitra; koa ataovy izay sitrakao.

29. Fa ny taranaky ny raiko rehetra dia samy olona tokony ho faty teo anatrehan'ny mpanjaka tompoko; nefa ianao nampitoetra ahy mpanomponao ho isan'izay mihinana amin'ny latabatrao. Koa inona intsony no rariny ho ahy, ary inona no mbola hitarainako amin'ny mpanjaka?

30. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Nahoana no lazainao indray ny raharahanao? Nefa izaho efa nilaza hoe: Hianao sy Ziba no hizara ny tany.

31. Ary hoy Mefiboseta tamin'ny mpanjaka: Aoka dia ho azy avokoa izy rehetra, fa ianao mpanjaka tompoko efa tonga soa aman-tsara ao amin'ny tranonao indray.

32. Ary Barzilay Gileadita nidina avy tany Rogelima, dia niara-nita an'i Jordana tamin'ny mpanjaka izy mba hanatitra azy hita an'i Jordana.

33. Ary Barzilay dia lehilahy antitra, efa valo-polo taona; ary izy efa nanome hanina ny mpanjaka, raha nitoetra tany Mahanaima izy; fa mpanjatobe indrindra izy.

34. Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Barzilay: Andeha hiara-mita amiko ianao hovelomiko any amiko any Jerosalema.

35. Fa hoy Barzilay tamin'ny mpanjaka: Hoatrinona intsony moa no andro hahavelomako, no hiara-miakatra amin'ny mpanjaka hankany Jerosalema aho?

2 Samoela 19