26. Ary nony efa tonga hitsena ny mpanjaka ny avy any Jerosalema, dia hoy ny mpanjaka taminy: Nahoana no tsy mba nandeha niaraka tamiko ianao, ry Mefiboseta?
27. Fa hoy izy: Ry mpanjaka tompoko, nofitahin'ny mpanompoko aho: Hanisy lasely ny boriky aho hitaingenako ka hankany amin'ny mpanjaka; fa malemy tongotra ny mpanomponao.
28. Nefa nendrikendrehiny tamin'ny mpanjaka tompoko izaho mpanomponao; fa ny mpanjaka tompoko dia hoy Ilay Anjelin'Andriamanitra; koa ataovy izay sitrakao.
29. Fa ny taranaky ny raiko rehetra dia samy olona tokony ho faty teo anatrehan'ny mpanjaka tompoko; nefa ianao nampitoetra ahy mpanomponao ho isan'izay mihinana amin'ny latabatrao. Koa inona intsony no rariny ho ahy, ary inona no mbola hitarainako amin'ny mpanjaka?
30. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Nahoana no lazainao indray ny raharahanao? Nefa izaho efa nilaza hoe: Hianao sy Ziba no hizara ny tany.
31. Ary hoy Mefiboseta tamin'ny mpanjaka: Aoka dia ho azy avokoa izy rehetra, fa ianao mpanjaka tompoko efa tonga soa aman-tsara ao amin'ny tranonao indray.
32. Ary Barzilay Gileadita nidina avy tany Rogelima, dia niara-nita an'i Jordana tamin'ny mpanjaka izy mba hanatitra azy hita an'i Jordana.
33. Ary Barzilay dia lehilahy antitra, efa valo-polo taona; ary izy efa nanome hanina ny mpanjaka, raha nitoetra tany Mahanaima izy; fa mpanjatobe indrindra izy.
34. Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Barzilay: Andeha hiara-mita amiko ianao hovelomiko any amiko any Jerosalema.
35. Fa hoy Barzilay tamin'ny mpanjaka: Hoatrinona intsony moa no andro hahavelomako, no hiara-miakatra amin'ny mpanjaka hankany Jerosalema aho?
36. Valo-polo taona izay ny andro nahavelomako, ka mahalala izay soa sy ratsy intsony va aho? Mahatsiaro ny tsiron-javatra haniko sy sotroiko intsony va aho mpanomponao? Mahare izay feon'ny mpihiralahy sy ny mpihiravavy intsony va aho? Koa nahoana ny mpanomponao no mbola ho enta-mavesatra amin'ny mpanjaka tompoko?
37. Kely foana no handehanan'ny mpanomponao eo an-dafin'i Jordana hiaraka amin'ny mpanjaka; koa nahoana ny mpanjaka no dia hamaly fitia ahy loatra toy izany?
38. Trarantitra ianao, aoka aho mpanomponao hody ihany ka ho fety any amin'ny vohitro ao akaikin'ny fasan'ikaky sy ineny. Fa indro Kimama mpanomponao; aoka izy no hiaraka amin'ny mpanjaka tompoko, ary ataovy aminy izay sitrakao.
39. Dia hoy ny mpanjaka: Handeha hiaraka amiko tokoa Kimama, ka hataoko aminy izay sitrakao, ary izay angatahinao dia hataoko ho anao.
40. Ary ny vahoaka rehetra nita an'i Jordana. Ary nony tafita ny mpanjaka, dia norohan'ny mpanjaka Barzilay sady notsofiny rano, ary dia lasa nody ho any amin'ny fonenany izy.
41. Dia nandroso nankany Gilgala mpanjaka, ary Kimama niaraka taminy; ny lehilahy rehetra amin'ny Joda sy ny antsasaky ny lehilahy amin'ny Isiraely koa nanatitra ny mpanjaka.