2 Samoela 19:1-8 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary dia niontana terỳ ny fon'ny mpanjaka, ka niakatra nankeo amin'ny efi-trano teo ambony vavahady izy sady nitomany teny am-pandehanana ka nanao hoe: Ry Absaloma, zanako, zanako, ry Absaloma, zanako ô! Inay anie aho no maty nisolo anao, ry Absaloma zanako, zanako ô!

2. Ary nambara tamin'i Joaba hoe: Indro, mitomany sy misaona an'i Absaloma ny mpanjaka.

3. Ary ny famonjena dia tonga fisaonana tamin'ny vahoaka rehetra androtrizay, satria ren'ny vahoaka tamin'izany andro izany hoe: Malahelo ny zanany ny mpanjaka.

4. Ka dia niakatra nisokosoko tao an-tanàna ny olona tamin'izany andro izany, toy ny fisokosokon'ny olona menatra raha mandositra amin'ny ady.

5. Fa ny mpanjaka nanarona ny tavany sady nidradradradra tamin'ny feo mafy hoe: Ry Absaloma, zanako, ry Absaloma, zanako, zanako ô!

6. Ary niditra tao amin'ny mpanjaka tao an-trano Joaba ka nanao hoe: Efa nomenarinao androany ny mpanomponao rehetra izay namonjy ny ainao androany sy ny ain'ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy ary ny ain'ny vadinao sy ny vaditsindranonao;

7. fa ny mankahala anao no tianao, ary ny tia anao kosa no halanao, ka nasehonao androany fa tsinontsinona aminao ny manamboninahitra sy ny miaramila; ary hitako izao fa raha velona Absaloma, ka izahay rehetra no maty androany, dia izany no sitrakao.

8. Koa mitsangàna ankehitriny, ka mivoaha, ary manaova teny soa amin'ny mpanomponao; fa mianiana amin'i Jehovah aho fa raha tsy mivoaka ianao, dia tsy hisy na dia iray akory aza hitoetra eto aminao anio alina; ka dia izany no ho mafy lavitra aminao noho ny fahoriana rehetra izay nanjo anao hatry ny fony ianao vao zaza ka ambaraka ankehitriny.

2 Samoela 19