2 Samoela 18:3-15 Malagasy Bible (MG1865)

3. Fa hoy ny vahoaka: Tsy avelanay andeha ianao; fa raha mandositra izahay, dia tsy hahoany; ary na matiny sasaka aza izahay, dia tsy hahoany akory; fa ianao no hoatra ny iray alina aminay; koa tsara raha hamonjy anay avy tao an-tanĂ na ianao.

4. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Izay sitrakareo ary no hataoko. Dia nitsangana teo anilan'ny vavahady ny mpanjaka, ary ny vahoaka rehetra nivoaka isan-jato sy isan'arivo.

5. Ary ny mpanjaka nandidy an'i Joaba sy Abisay ary Itahy hoe: Noho ny amiko dia mamindrĂ  fo amin'i Absaloma zatovo. Ary ny olona rehetra dia nahare ny nandidian'ny mpanjaka ny mpifehy rehetra ny amin'i Absaloma.

6. Ka dia nivoaka teny an-tsaha ny vahoaka hiady amin'ny Isiraely, ka rafitra tao amin'ny alan'i Efraima ny ady;

7. ary resy tao ny lehilahy amin'ny Isiraely teo anoloan'ny mpanompon'i Davida, ka be dia be no ringana androtrizay, dia olona roa alina.

8. Fa nihahakahaka teny rehetra teny ny ady; ka ny matin'ny ala androtrizay dia be noho ny matin'ny sabatra.

9. Ary Absaloma nifanehatra tamin'ny mpanompon'i Davida. Ary nitaingina ampondra izy, ary ny ampondra nandeha teo ambanin'ny rantsan-kazo mikirindro tamin'ny hazo terebinta, ka voahazon'ny hazo terebinta ny lohan'i Absaloma, ka dia nikiraviravy teo anelanelan'ny lanitra sy ny tany izy; fa lasa ny ampondra nitaingenany.

10. Ary nisy lehilahy anankiray nahita izany, dia nanambara tamin'i Joaba hoe: Indro, hitako mihantona amin'ny hazo terebinta Absaloma.

11. Ary hoy Joaba tamin'ilay lehilahy nilaza taminy: Koa nahoana, raha nahita azy ianao, no tsy nasianao hianjera amin'ny tany izy, ka dia tsy maintsy ho nomeko sekely volafotsy folo sy fehin-kibo ianao?

12. Fa hoy ralehilahy tamin'i Joaba: Na dia efa mby an-tanako aza ny sekely volafotsy arivo, tsy haninjitra ny tanako hamely ny zanaky ny mpanjaka aho; fa teo anatrehanay no nandidian'ny mpanjaka anao sy Abisay ary Itahy hoe: Samia mitandrina an'i Absaloma zatovo.

13. Tsy misy zavatra azo afenina amin'ny mpanjaka, koa raha nanao hafahafa taminy aho, na dia ianao io aza dia ho nitsangana hanameloka ahy.

14. Dia hoy Joaba: Tsy handany andro foana eto aminao aho. Ary nitondra lefona telo teny an-tanany Izy, ka natsatony tamin'ny fon'i Absaloma, raha mbola velona teo amin'ny hazo terebinta izy.

15. Ary nisy tovolahy folo, mpitondra ny fiadian'i Joaba, nanodidina an'i Absaloma ka namely azy ho faty.

2 Samoela 18