2 Samoela 17:19-29 Malagasy Bible (MG1865)

19. Ary nalain'ny vadin-dralehilahy ny rakotra ka narakony teo am-bavan'ny lavaka fantsakana, ary dia nanahy koba teo amboniny izy, ka tsy nisy nahalala.

20. Ary nony tonga tao amin-dravehivavy tao an-trano ny mpanompon'i Absaloma, dia nanao hoe: Aiza Ahimaza sy Jonatana teto? Fa hoy ravehivavy taminy: Tafita ny renirano kely izy izay. Ary nony efa nitady azy ireo ka tsy nahita, dia niverina nankany Jerosalema.

21. Ary nony efa lasa ireo, dia niakatra avy ao amin'ny lavaka fantsakana izy roa lahy, ka lasa nandeha izy, dia nanambara tamin'i Davida mpanjaka hoe: Miaingà, ka mità faingana ny rano; fa izany no hevitra nataon'i Ahitofela hamelezana anareo.

22. Dia niainga Davida sy ny olona nanaraka ,azy, ka nita an'i Jordana izy; ary nony maraina ny andro, dia tsy tafita an'i Jordana na dia olona iray aza.

23. Ary nony hitan'i Ahitofela fa narahina ny hevitra nataony, dia nasiany lasely ny borikiny, dia niainga izy dia nody tany an-tranony tany an-tanànany; ary nanafatra ny ankohonany izy, dia nanaton-tena, ka dia maty ary nalevina tao amin'ny fasan-drainy.

24. Ary Davida tonga tao Mahanaima. Ary Absaloma nita an'i Jordana, dia izy sy ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely izay nanaraka azy.

25. Ary Amasa no notendren'i Absaloma ho komandin'ny miaramilany ho solon'i Joaba; ary Amasa dia zanak'ilay Isiraelita atao hoe Jitra, ilay nandry tamin'i Abigaila, zanakavavin'i Nahasy sady rahavavin'i Zeroia, renin'i Joaba.

26. Ary ny Isiraely sy ny Absaloma nitoby tany amin'ny tany Gileada.

27. Ary nony tonga tao Mahanaima Davida, dia, indreo, tamy Soby, zanak'i Amona, sy Makira, zanak'i Amiela, avy any Lo-debara, ary Barzilay Gileadita, avy any Rogelima,

28. Avy mitondra fandriana sy bakoly sy vilany tany sy vary hordea sy koba sy lango sy tsaramaso sy voanemba ary voanemba voaendy

29. sy tantely sy rononomandry sy ondry ary zanak'omby ho an'i Davida sy ny olona nanaraka azy; fa hoy izy: Noana sy sasatra ary mangetaheta atỳ an-efitra ny vahoaka.

2 Samoela 17