1. Ary hoy Ahitofela tamin'i Absaloma: Aoka aho hifantina lehilahy roa arivo amby iray alina ka hiainga hanenjika an'i Davida anio alina;
2. ary ho tonga ao aminy aho amin'ilay izy mbola sasatra sy reraka iny, ka dia hotairiko; dia handositra ny vahoaka rehetra izay any aminy, ary ny mpanjaka ihany no hasiako;
3. dia haveriko ho etỳ aminao ny vahoaka rehetra miankina amin'io lehilahy tadiavinareo io ny hiverenan'ny vahoaka rehetra, ka dia hiadana ny olona rehetra.
4. Ary sitrak'i Absaloma sy ny loholon'ny Isiraely rehetra izany.
5. Kanefa hoy Absaloma: Mba antsoy kosa Hosay Arkita, ary aoka ho rentsika koa izay teniny.
6. Ary nony tonga teo amin'i Absaloma Hosay dia hoy Absaloma taminy: Izao no hevitr'i Ahitofela; ka hanao araka ny teniny va isika? Sa ahoana kosa no hevitrao?
7. Ary hoy Hosay tamin'i Absaloma: Tsy mety ny hevitra nataon'i Ahitofela tamin'ity.
8. Ary hoy kosa Hosay: Hianao mahalala ny rainao sy ny olony, fa olona mahery izy sady masiaka tahaka ny bera very anaka any an-tsaha; ary lehilahy mpiady rainao ka tsy miara-mitoetra amin'ny vahoaka raha alina.