22. Ary hoy Davida tamin'Itahy: Andeha mandroso ary. Dia nandroso Itahy Gatita sy ny olony rehetra mbamin'ny zaza amim-behivavy rehetra izay teo.
23. Ary ny olona rehetra dia nitomany nikaikaika, ary nita ny vahoaka rehetra; ny mpanjaka koa dia nita ny lohasahan-driaka Kidrona, ary ny vahoaka rehetra nandroso tamin'ny lalana mankany an-efitra.
24. Ary indro koa Zadoka sy ny Levita rehetra nanaraka azy nitondra ny fiaran'ny faneken'Andriamanitra. Ary nametraka ny fiaran'Andriamanitra izy ary Abiatara niakatra mandra-pahatapitry ny olona rehetra avy tao an-tanàna.
25. Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Zadoka: Ento miverina ho any an-tanàna ihany ny fiaran'Andriamanitra; fa raha mahita fitia eo imason'i Jehovah aho, dia mbola ho entiny miverina ihany, ka hasehony ahy iny sy ny fitoerany.
26. Fa raha izao kosa no lazainy: Tsy sitrako ianao, dia inty aho, aoka Izy hanao amiko araka izay ataony ho tsara.