2 Samoela 13:1-12 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary nony afaka izany, dia nisy toy izao: Absaloma, zanak'i Davida, nanana anabavy tsara tarehy, Tamara no anarany; ary tia azy Amnona, zanak'i Davida.

2. Ary Amnona nalahelo ka matiny ihany noho Tamara anabaviny; fa virijina izy, ka sarotra tamin'i Amnona ny haka azy.

3. Fa Amnona nanan-tsakaiza, Jonadaba no anarany, zanak'i Simea, rahalahin'i Davida; ary Jonadaba dia olona fetsy loatra.

4. Ka hoy izy taminy: Nahoana ianao, ry zanaky ny mpanjaka, no mihamahia isan'andro isan'andro? Tsy tianao hambara amiko va izany? Dia hoy Amnona taminy: Tia an'i Tamara, anabavin'i Absaloma rahalahiko, aho.

5. Ary hoy Jonadaba taminy: Mandria eo amin'ny fandrianao ianao, ka modia marary; ary raha avy mamangy anao rainao, dia ataovy aminy hoe: Trarantitra ianao, aoka Tamara anabaviko mba ho avy hampihinan-kanina ahy ary hanao ny nahandro eto imasoko mba ho hitako ka hihinanako ny avy eny an-tànany.

6. Dia nandry Amnona ka nody marary; ary nony avy mamangy azy ny mpanjaka, dia hoy izy taminy: Trarantitra ianao, aoka Tamara anabaviko hankatỳ hanao mofo roa ho ahy eto imasoko hihinanako ny avy eny an-tànany.

7. Ary Davida naniraka nankany amin'i Tamara any an-tranony nanao hoe: Mankanesa kely any an-tranon'i Amnona anadahinao, ka manaova nahandro ho azy.

8. Dia nandeha Tamara nankany an-tranon'i Amnona anadahiny; ary nandry ny anadahiny. Dia naka koba razazavavy, ka nofetafetainy ary nataony mofo teo imasony, ary nendasiny ny mofo.

9. Dia noraisiny ny fanendasana, ka narosony teo anoloany; fa tsy nety nihinana izy. Ary hoy Amnona: Avoahy ny olona rehetra. Dia nivoaka ny olona rehetra.

10. Ary hoy Amnona tamin'i Tamara: Ento atỳ amin'ny efi-trano ny nahandro hihinanako ny avy eny an-tananao. Dia nalain'i Tamara ny mofo nataony ka nentiny tao amin'ny efi-trano tao amin'i Amnona anadahiny.

11. Ary nony nentiny tao aminy hohaniny izany; dia nihazona an'i Tamara izy ka nanao taminy hoe: Avia handry amiko, ranabaviko.

12. Ary hoy ny anabaviny: Sanatria, ranadahy! Aza misavika ahy; fa tsy fanao eto amin'ny Isiraely izany; aza manao izany zavatra fady indrindra izany ianao.

2 Samoela 13