7. Dia hoy Natana tamin'i Davida: Hianao no izy. Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izaho nanosotra anao ho mpanjakan'ny Isiraely ka namonjy anao ho afaka tamin'ny tànan'i Saoly;
8. ary nomeko anao ny tranon'ny tomponao sy ny vadin'ny tomponao ho andefimandrinao, ary nomeko anao koa ny firenen'Isiraely sy Joda; ary raha mbola tsy ampy ho anao izany, dia ho nomeko bebe kokoa ianao;
9. koa nahoana ianao no nanamavo ny tenin'i Jehovah ka nanao izay ratsy eo imasony? Oria Hetita nasianao ny sabatra, ary ny vadiny nalainao ho vadinao. Eny, efa novonoinao tamin'ny sabatry ny taranak'i Amona izy.
10. Koa noho izany dia tsy hiala amin'ny taranakao mandrakizay kosa ny sabatra, satria nanamavo Ahy ianao ka naka ny vadin'i Oria Hetita ho vadinao.
11. Izao koa no lazain'i Jehovah: Indro, Izaho efa hahatonga loza aminao avy ao amin'ny ankohonanao ihany; ary hesoriko eo imasonao ny vadinao ka homeko ny namanao; ary izy handry amin'ny vadinao amin'izao antoandrobenanahary izao.
12. Fa ianao nanao izany tao amin'ny mangingina, ary Izaho kosa haneho izany zavatra izany eo anatrehan'ny Isiraely rehetra sy amin'izao antoandrobenanahary izao.
13. Dia hoy Davida tamin'i Natana: Efa nanota tamin'i Jehovah aho. Ary hoy kosa atana tamin'i Davida: Jehovah efa nanaisotra ny helokao, ka tsy ho faty ianao.
14. Nefa noho ny nampitenenanao ratsy ny fahavalon'i Jehovah amin'izany zavatra izany dia ho faty tokoa ny zaza izay haterakao.
15. Ary Natana nody tany an-tranony. Ary Jehovah namely ny zaza izay nateraky ny vadin'i Oria tamin'i Davida, ka dia narary be ny zaza.
16. Ary nifona tamin'Andriamanitra ho an'ny zaza Davida, dia nifady hanina sady niditra ka nandry tamin'ny tany mandritra ny alina.
17. Ary ny loholona tao an-tranony nitsangana nankao aminy hampiarina azy amin'ny tany; nefa tsy nety izy sady tsy nety niara-nihinan-kanina taminy.
18. Ary nony nandray hafitoana, dia maty ny zaza; ary ny mpanompon'i Davida natahotra hilaza ny nahafatesan'ny zaza aminy, fa hoy ireo: Indro, fony mbola velona aza ny zaza, raha niteny taminy isika, dia tsy nohenoiny ny feontsika, koa hataontsika ahoana no filaza aminy ny fahafatesan'ny zaza? fandrao hanimba tena izy.
19. Ary nony hitan'i Davida fa nitakoritsika ny mpanompony, dia fantany fa maty ny zaza; ka hoy izy tamin'ny mpanompony: Maty va ny zaza? Ary hoy ireo: Maty.
20. Dia niarina tsy nandry tamin'ny tany intsony Davida ary nandro sy nihosotra diloilo ary nanova ny fitafiany, dia nankao amin'ny tranon'i Jehovah ka niankohoka; ary dia nody tany an-tranony izy ka niantso mba hisy handroso hanina eo anoloany, dia nihinana izy.
21. Ary hoy ny mpanompony taminy: Ahoana izao zavatra nataonao izao? Fa fony mbola velona ny zaza, dia nifady hanina sy nitomany ianao, fa rehefa maty ny zaza, dia niarina sy nihinan-kanina kosa.